Tsy Fidiny

Ny Sakelidalana

Tsy Fidiny


Tsy mba afaka miala
Ireo izay manana ny adala
Fa miaritra ee!
Eo ihany, na mampitomany.


Tsy lavina fa eny
Zanaka na Ray ama-dReny
Refa adala anie
Itoviana
Ny fijaliana


Baraka ve
Tondro-molotra
Efa tandra vadik’ oditra
Henatra sisa
Itafiana
Karazan-damba
Isora-jaliana


Ireo izay manana ny hendry
Kinga ny miteny
Fa raha azy hoe ireny
Naony vao kely


Fa raha ny adalan ny tena
No mianjak’eny antsena
Tohina ny fo
Marary ny andoha


Tsy fidiny azy
Re reolona
Saingy anjara tsy maintsy zakaina
Tsy afaka iny raha tsy ny aina
No efa mandao, nandao ny maraina


Tsy mba afaka miala ….


·