Tsy azo atao ahoana (Lola)

Denise

Tsy azo atao ahoana (Lola)


Adaladala ny fitia tsy mifidy izay iantefany
Olona iray efa manan-tompo no nambabo ny foko
Nangalarina hatrany ny fiarahanay
Vao mainka mamy tsisy ohatr’izany


Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vao mainka mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana


Nifankahazo am-po tokoa
Na faly na ory nifanankin-doha
Tsy nifanary sanatria
Izany tokoa angamba no tena fitia
Zareo mpivady ara-dalàna
Nefa izahay nifato-tady tena igagana


Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vaomaika mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana


Angalarina hatrany ny fiarahanay
Voamaika mamy tsisy ohatr’izany


Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vaomaika mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana


·