Tsy avy amin'olona
zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Tsy avy amin’olona
Tsy avy amin’olona ny ahy ny famonjena
Tsy nahavonjy ahy ny vola sy ny harena
Fa avy amin’i Jehovah Ray
Izy no mampijoro ahy
Jehovah no heriko sy tanjako. (X2)
Ref:
Ny haizina dia nohazavainy
Ireo olana ihany koa dia noravainy
Ka hidera azy aho,
Eny hidera azy aho hoe: Aleloia!
……………………
Tsy ho menatra aho na koa angahiahy
Fa Jehovah mantsy no mpiandry ahy
Inona no mampahory,
Fa izy tsy handao akory
Eny hatoky, hatoky azy aho. (X2)
Ref:
Ny haizina dia nohazavainy
Ireo olana ihany koa dia noravainy
Ka hidera azy aho,
Eny hidera azy aho hoe: Aleloia!
(X2)
Aleloia!……….Aleloia!…………Aleloia!
(Aleloia!)…….Aleloia!!!
(Aleloia!)…….Aleloia!
(Aleloia!)…….A a a aleloia!!!….