Tsy Anjara
Tarika Miandry
Tsy Anjara
- Raha nihevitra aho
ny hiara-dalana
dia fikasana tokoa,
fa ny lahatra no aloha. - Atao ahoana moa
fa tsy anjara ny antsika roa.
Aza kivy na mamoy fo.
Réf: Tsy hoe tsy fitiavana
na koa fiangarana,
fa setrasetram-piainana
izay tsy azo nihodivirana.
Ny fitaka dia ho sanatria,
f’izaho raha tia dia tena tia
ka ny hany vavaka ho atao,
hahita ny soa raha izaho sy ianao.
- Raha nihevitra aho
fa tsapanao izay rehetra natao,
dia fikasana ho doria
saingy indrisy tsy izany, - Satria toa zava-poana avokoa
’lay fiarahana taloha,
tsy hay kosehina, mandratra fo.
Réf: ….
(Aza kivy na mamoy fo,
na tsy anjara aza ny antsika roa) x2.