TSY AHOANA AKORY
Mamy Andy Lala
TSY AHOANA AKORY
Rehefa leo teto ianao
dia nilaozanao aho
ireo taratasy nomenao ahy
mariky ny fisarahantsika roa
Efa tsapanao tokoa angamba
fa tsy tsara intsony aho
Efa tsapanao tokoa angamba
fa tsy tsara intsony aho.
Tsy kivy aho akory; sanatria
fa mety maro ny ho tia
ny mampalahelo ahy anefa
ianao izay nilefa
Tsy ahoanao, tsy ahoana akory
fa navelanao ’ty olon’ory
Tsy ahoanao,tsy ahoana akory
fa navelanao ’ty olon’ory
Tomany aho mieritreritra ny lasako
tomany aho tena tiako mantsy ianao
tomany aho satria lasa ianao
Rehefa leo fitia ianao…