Tsy Afoiny
Ny AmbasadôrÃ
Tsy Afoiny
Mahatsiaro ho resy ve ianao
Feno hakiviana anatinao
Reraka avokoa ny fo sy fanahy
Kely finoana ka be ahiahy
Ny olon-drehetra efa nandao
F’angamba aho no sisa, hoy ianao
“Ho aiza moa aho"x2, hoy ianao raha mitalaho
Nefa dia misy mihaino tokoa
Ny vavaka ataon’izay marina am-po
Tsy mba manao tsinontsinona
Izay fo mangorangoraka mino fa hay
Misy Mpamonjy azo hianteherana
Mahalala ny hevitra hieverana
Ahy sy ianao ao an-danitra ao
Izy no momba anao
Ref: Na mahantra na ory, mangahiahy
Tsy afoiny tsy akory, aza manahy
Ny zanany asan’ny tanany, dia aoka ho adidiny ihany
Ny tanany tsy fohy fa mahavonjy
Raha mino Azy ianao, tsy ho resy intsony
Izy no hiady ny adinao
Izy no hiady ho anao
Nefa dia misy mihaino tokoa
Ny vavaka ataon’izay marina am-po
Tsy mba manao tsinotsinona
Izay fo mangorangoraka mino fa hay
Misy Mpamonjy azo hianteherana
Mahalala ny hevitra hieverana
Ahy sy ianao ao an-danitra ao
Izy no momba anao
Ref: Na mahantra na ory, mangahiahy
Tsy afoiny tsy akory, aza manahy
Ny zanany asan’ny tanany, dia aoka ho adidiny ihany
Ny tanany tsy fohy fa mahavonjy
Raha mino azy ianao, tsy ho resy intsony
Izy no hiady ny adinao
Izy no hiady ho anao