Tsy afaka an-tsaiko

Tarika Miantefa

Tsy afaka an-tsaiko


Tsy afaka an-tsaiko Tompo
N’aiza n’aiza no misy ahy
Ny fitiavanao ahy mpanompo
Notoloranao fanahy
Tsy afaka an-tsaiko Ianao (Jesoa)
Ka mba fiangaviako ny hoe (Jesoa)
Tazony ny foko ho Anao
Izay no mba tiako re


Na andro na alina aza
Tsy mba hanadinoako Anao
Fa efa tiako Ianao fahazaza
Tsy foiko hatramin’izao
Ny foko tsy hiala Aminao (Jesoa)
Ny tanantsika mifandray (Jesoa)
Ny fiana-mitoetra anilanao
No handova rahatrizay


Soraty ao am-poko hitoetra
Ireo didim-pitiavanao
Aoka ny sitrakao rehetra
Fa tsy ny ahy no hatao
Tohano raha mila handao (Jesoa)
Fefeo mba tsy hivily koa (Jesoa)
Ianao ho ahy ary izaho ho Anao
Fa babonao aho Jesoa


FA BABONAO AHO JESOA…


·