Tsy afa-bela

Erick Manana

Tsy afa-bela


Mba aiza izay ilay havako e
Fa elaela tsy tazako e
Manitikitika te hifoha
Ilay fitiavako taloha ô


Mivezika etsy sy eroa
Tsy mety fa vao maika koa
Mivato-fantsika lalina ao am-po ny alaheloko
Fa nilaozanao mbola tia lala ô
Ka izay no tsy teliko
Mivato-fantsika lalina ao am-po ny alaheloko
Fa nilaozanao mbola tia lala ô
Ka izay no tsy teliko


Matsatsotsatso avokoa
Izay rehetra hitako
Masoandro iny aza halako
Izay jerena mahavaky fo ô


Fa n’aiza n’aiza halehako
‘Zay misy ahy misy anao koa
Toa mila kisa amiko izao rehetra izao
Fa mampatsiahy ahy anao
Fa nilaozanao mbola tia lala ô
No nahatonga ahy toa izao
oa mila kisa amiko izao rehetra izao
Fa mampatsiahy ahy anao
Fa nilaozanao mbola tia lala ô
No nahatonga ahy toa izao


Tsy afa-bela aminao
Hatrizay ka hatrizao
Mbola ity mitady anao
Manavinavy lava izao
Tsy afa-bela aminao
Hatrizay ka hatrizao


(Instru)


Tsy afa-bela aminao
Hatrizay ka hatrizao
Mbola ity mitady anao
Manavinavy lava izao
Tsy afa-bela aminao
Hatrizay ka hatrizao


Raha sendra misy ambiny
Dia mba hamelao aho fitia
Na sisa latsaka an-dovia
Ataoko ho ampy ahy satria ô
Tsy afa-bela aminao
Hatrizay ka hatrizao


Mba aiza izay ilay havako e
Fa elaela tsy tazako e
Manitikitika te hifoha
Ilay fitiavako taloha ô


Mivezika etsy sy eroa
Tsy mety fa vao maika koa
Nivato-fantsika lalina ao am-po ny alaheloko
Fa nilaozanao mbola tia lala ô
Ka izay no tsy teliko
Nivato-fantsika lalina ao am-po ny alaheloko
Fa nilaozanao mbola tia lala ô
Ka izay no tsy teliko


                            Poopy sy Erick Manana

·