Tsy adinony

Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana

Tsy adinony


1- Reraka ianao manontany
Hoe hatraiza ihany no hiafarany
Izato fihafiana, sy ireo fijaliana
Fa lasa andavanandro ny fahoriana


Miantefa aiza ireo vavaka
Fa efa ela no latsaka an-davaka
Tsy mahatsiaro intsony na hoe hitaraina
Fa difotry ny aizina maningotra ny aina


Fiv :
Nitomaniany ireo ranomasonao
Efa nijaliany ireo fahorianao
Fa matoa ekeny ny iainanao izany
Dia ny hahalehibe ny fandresenao


2- Alaim-panahy aho te hampitaha
Fa miadana ery ireo ratsy fanahy
Tsy kivy aho anefa, mbola manantena
Miandrandra foana ilay fandresena


Raha toa mahazo anao izany anio
Dia izao no tsarovy sy tadidio
Hitan’i Jesoa ireo adinao
TSY ADINONY ireo vavaka sy talaho


Fiv :
Nitomaniany ireo ranomasonao
Efa nijaliany ireo fahorianao
Fa matoa ekeny ny iainanao izany
Dia ny hahalehibe ny fandresenao


Mahareta ka banjino ilay paradisa
Ho fiadanana ny andronao sisa
Fa miandry anao ilay amboara
Dia ilay fianana be tsy mba lany zara


T/F : Rabearivelo Mamy


·