Tso-drano

Jen

Tso-drano


1- Nangoniko ho ranomaso
Fa tsy latsaka intsony, tsy latsaka intsony
Nivarilavo ny tanatiko
Fa tsy nety ho tony, tsy nety ho tony
Raha ny fahasambarako indrindra
Mbola eo an-tratranao, eo an-tratranao
Fa ilay foko mba nitia, toa noratrainao
Manoratra ho anao aho


Ref : sady mitsodrano, no manganohano
Fa raha ny foko mbola reko tomany
Saingy tsy hifanerena, fa fitiavan-tena
Raha hifikitra anao aho anefa ianao tsy tamana
Ataoko ampionona ahy, izay vita atrizay
Atao herin-tsaina hoe ho sambatra ianao
Fa mampijaly tena ilay omena tsy omena
Ka maneho fahendrena aho
Mitsodrano anao


2- Ny amiko rehetra nomeko
Fa tsy ampy anao, tsy ampy anao
Ny lasanao rehetra aza nekeko
Fa tsy hafoinao, ka manoratra ho anao aho


Ref : sady mitsodrano, no manganohano
Fa raha ny foko mbola reko tomany
Saingy tsy hifanerena, fa fitiavan-tena
Raha hifikitra anao aho anefa ianao tsy tamana
Ataoko ampionona ahy, izay vita atrizay
Atao herin-tsaina hoe ho sambatra ianao
Fa mampijaly tena ilay omena tsy omena
Ka maneho fahendrena aho
Mitsodrano anao


·