Tsisy safidy

Mage 4

Tsisy safidy


Loharano tsy mety ho ritra
Tsy haitraitram-po na koa ditra
Fa fitiavana, tsy hay tohaina ny ahy
Ho anao


Tantely tsy lany hamamiana
Rehefa antsoinao iny aho hoe tiana
Mangorintsina, te handingana
izay fefy eo


Refrain :
Hatramin’izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hahita anao
Hatramin’ilay nahitako anao
Mbola feno anao ny eritreritro sy nofy
Feno embona anao
Tiako ho fantatrao fa tsisy safidy aho
Ankoatra anao


Toa masoandro feno hafanana
Fantatrao aho fa tsy ho voatana
Tsy voafehiko ny tontoloko
Rehefa ianao eo


Refrain :
Hatramin’izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hahita anao
Hatramin’ilay nahitako anao
Mbola feno anao ny eritreritro sy nofy
Feno embona anao
Tiako ho fantatrao fa tsisy safidy aho
Ankoatra anao


Toa masoandro feno hafanana
Fantatrao aho fa tsy ho voatana
Tsy voafehiko ny tontoloko
Rehefa ianao eo


Hatramin’izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hahita anao
Hatramin’ilay nahitako anao
Mbola feno anao ny eritreritro sy nofy
Feno embona anao
Tiako ho fantatrao fa tsisy safidy aho
Ankoatra anao


Hatramin’izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hahita anao


Hahita anao aho
ie ie ieeh
Te hanidina aho handingana vohitra
Hahita anao
Tsisy safidy aho
Ankoatra anao
Tiako ho fantatra fa tsisy safidy aho
Ankoatra anao


·