Tsisy Miala

Rebika

Tsisy Miala


Na lalana akaiky na lalana lavitra
Oviana mo izahay no tsy efa niharitra
Niara niondrika dia niara nitraka
Fa ny anay dia efa hisotro ny aleoko maty


Na hazakazaka na fampitaha
Tsy misy mitsoaka fa samy lehilahy
Tsy asiana resaka mampifanditra e
Fa tonga dia reveo am façon-tsika


Ny ho ketraka aloha dia indrisy
Ny hijanona aloha dia tsy misy
Aoka hazava manomboka hatreo
Fa tsisy miala aminao izany eo


Tsisy miala eo akama
Fa samy tary am tanàna
Ny ho kivy sanatria
Veleso ny aponga iaraha mandihy


Adino sahady angaha hono ny mitabe
Isika ilay niara-nandeha
Niharitra ny masoandro migaina
Ngolin’ny fanala maraina


Fa akaiky loatra ny fanadinoana
Dia mibedibedy manao teny tsy tsaroana
Rehefa misy ny zavatra ifandrarana
Dia oe izao tsy anao izao hiala


Ny ho ketraka aloha dia indrisy
Ny hijanona aloha dia tsy misy
Aoka hazava manomboka hatreo
Fa tsisy miala aminao izany eo


Tsisy miala eo akama
Fa samy tary am tanàna
Ny ho kivy sanatria
Veleso ny aponga iaraha mandihy


Henoy ny filazako azy
Fa inona no hivandravandranao e
Fa tsy ny ataonao no ataonao e
Rehefa tsy anao akombony ny vava
Fa aza dia faly ny manakotaba e
Azafady ô


Tsisy miala eo akama
Fa samy tary am tanàna
Ny ho kivy sanatria
Veleso ny aponga iaraha mandihy


·