Tsisy lonilony

Do Rajohnson

Tsisy lonilony

Efa nataoko mihitsy izay hihazonana anao mba ho ahy,
Nefa indrisy
Namoronako ny tsy nisy, nefa ianao tsy mba nahatsapa izany
Nataoko ireny, fa tsisy neniko velively

Raha fitia hampijaly tsy aleo ve isika hifandao
Fahendrena ho ahy ny mamela tanteraka anao
‘Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F’efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray

Nihazakazaka toa tsy nitsisy, ireo fihetsikao izay nandratra ny foko
Ka nampitoloko
Sedra-mpitiavana anie vita ihany, nefa mba aiza ny setrin’izany
Aleoko tsy misy f’efa mba niaritra sy efa nikimpy aho

Koa raha fitia hampijaly tsy aleo ve isika hifandao
Fahendrena ho ahy ny mamela tanteraka anao
‘Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F’efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray.

·