Tsisy Iriko

Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana

Tsisy Iriko



  1. Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
    Efitra tokoa izao tany izao
    Lala-migodana iandronam-pahotana
    Ka dia aleoko ihany akaikinao


Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
Ka na hety aza ny lalana
Ao ireo ondry maro no miadam-po voaaro
Tsy orin-jaza-tsoa finaritra


Ref : Ka na sakanana aza aho mba tsy hanaraka Anao
Ampy izay voalaza hoe Mpamonjiko Ianao
Tsy noho izay fitahiana marobe
Ka mainka tahaka izao
Fa mifankazatra iaraha-mandeha
Aminao Mpanavotra


Fa sarobidy amiko ilay fitiavanao lehibe
Matoky aho ka sahiko ny mamerimberina hoe
Tsisy iriko mihoatra noho Ianao



  1. Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
    He izany avotra aina vitanao
    Na dia izay nandrora, nandatsa, nanakora
    Nomenao famelan-keloka


Tsisy iriko mihoatra noho Ianao
He izany hamamin’ny teninao
Tsara noho ny harena miraki-pahendrena
Manome ilay tena fiainana


Ref : …


·