Tsisy fanamelohana

Tanora Masina Itaosy

Tsisy fanamelohana


Aoka izay ny hadalana nry namako o
Fa indro Jesosy manantona anao
Dia fenoy fiderana ny androm-piainanao
Fa Izy hanome fiainam-baovao
Ibebaho avokoa
Ireo tsy nety taloha (Tsy nety taloha)
Fa ny fitiavany (Ny fitiavany)
Dia manafak’ireo izay nandray


Tsisy fanamelohana ho an’izay ao
Amin’i Kristy fa izao
Avelao avokoa izay hadisoanao
F’Ianao miaina lalàm-baovao
F’Ianao miaina lalàm-baovao


Aoka izay ny hadalana nry namako o
Fa indro Jesosy manantona anao
Dia fenoy fiderana ny androm-piainanao
Fa Izy hanome fiainam-baovao
Araraoty tokoa
Ny andro azo anaovan-tsoa (Hanaovana soa)
F’efa nohafahany (Ianao zanany)
Tsy ho andevon’ny ota intsony


Tsisy fanamelohana …


·