Tsindri-mandry

Iraimbilanja

Tsindri-mandry


Tsy nahavita asa firy izy androany
Valabalaka lasa vinany
Tsy nahitana teny firy izy tamin’izany
Ny sainy toa lasa any ho any.
….
Nilanja angady izy,
Ka nitaona ireo akama mpiasa tany
Namonjy havoana,
Mba hitazana ilay akany.


Ref:
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo toa miantso hoe avia
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo malaky no niantso an-tariby.


Tsindrin-daona izy hamonjy ny tanana
Misy tsy salama angamba ny akama
Ny lohataona aza lasa manara
Volon’andro milaza fambara.


Nahita setroka izy
Setroka toa mitelina ny tany
Misy afobe mijoalajoala
Mandady, sy manantona ny akany.
Iôh! ôôôh!!!


Ref:
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo toa miantso hoe avia
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo malaky no niantso an-tariby.
….
Iôh! ôôôh!!!


Ref: …
….
Iôh! ôôôh!!!


Ref: …


·