Tsilovy ny lalanay

Groupe Hiakan'ny Avo Mpandresy

Tsilovy ny lalanay


Raha sendra sampanana izahay
Toroy lalana aho Ry Ray
Tompo ô! amindrao fo
Fa mpanota tsy mendrika ho Anao
Ka arovy re! mba tsy ho very dia
Tompo ô! tantano ny diako


Fiv : Ô! tsilovy re ny lalanay, Tompo ô!
Fa kitaontaona feno hantsana
Ka mifona mivalo aho
Tamin’ireo heloka
Izay vitako, teo Aminao


Na lalan-tsarotra aza Tompo ô!
No hizorako ety
Dia matoky fa Ianao no eo anilako
Ny fiandriananao no hiankinako
Raiso aho, ka anjakao


Fiv : Ô! tsilovy re ny lalanay, Tompo ô!
Fa kitaontaona feno hantsana
Ka mifona mivalo aho
Tamin’ireo heloka
Izay vitako, teo Aminao


Merci à Dieu
A/C : Radoniaina Angelo


·