Tsiaro
Tanjona Randrianarivelo
Tsiaro
Tsy dia manan-kambara fa…Mahatsiarotsiaro anao aho ‘zany,
Miezaka ny ho mafy amin’ny fiainako aho fa… Indraindray tafitomany.
Raha mbola teto mantsy ianao mety ho Mirana kokoa ny tsikiko,
Nefa ny mandahatra tsy anjarako,
Na matory, na mifoha,
Indrindra rehefa alahelo dia ianao no ao an-doha,
Naveriko ny fotoana raha nety fa mbola te hamihina anao mafy aho.
Mbola te hahita ilay tsikitsikinao
Raha mbola teto mantsy ianao mety ho mirana kokoa ny tsikiko,
Nefa ny mandahatra tsy anjarako