Tsaroanao ve

Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa

Tsaroanao ve


Tsaroanao ve, ilay fomba fahagola .
Nisedran’izy Tompo an’i Abrahama ,
Hanao sorona ny zanany ho fitsapana ny fitiavany ( Indroa )
Koa tsiahivina amin’izany ny amin’ny soron’i Jesoa ,
Fitiavana miharihary sady tena lehibe tokoa
Nahatonga an’Andriamanitra , hanolotra ny zanany
Ho avotra sy famonjena ho an’ireo mahantra am-panahy


REF : Tsaroanao ve , Tsaroanao ve , Tsaroanao ve ilay soron’ny avo indrina


Endrey ny hafaliana azontsika tamin’iny alina iny fa ny nahafatesan’i Jesoa
Nitondra fiainana azo antoka ho antsika
Endrey ny hafaliana azontsika tamin’iny alina iny fa ny rà nalatsany ihany koa
Tonga fahafahana amin’ny ota


Ndeha derao ny fandresena lehibe mihezinezina , hobio ny hery nitsanganan’ny nanipahany ny fasana
Ny voninahitra sy dera no indro atolotra ho anao , ry zanak’ondrin’Andriamanitra mpanavotra an’izao Tontolo izao


Endrey ny hafaliana azontsika tamin’iny alina iny fa ny nahafatesan’i Jesoa
Nitondra fiainana azo antoka ho antsika
Endrey ny hafaliana azontsika tamin’iny alina iny fa ny rà nalatsany ihany koa
Tonga fahafahana amin’ny ota


Deraina ianao ry ilay mpanjaka , tena zanak’Andriamanitra , Deraina ianao ry ilay mpanjaka fa mpamonjy manan-kery , Ny fandresena azonao nampisokatra ny lanitra
Ny fandresena azonao nanavotanao ny very


REF : Tsaroanao ve , Tsaroanao ve , Tsaroanao ve ilay soron’ny avo indrina


·