TSAROAKO MIDONA

Ny any aminay

TSAROAKO MIDONA


1 -Toa tsaroako midona miaraka aminao
Ny foko ry Ankaratra be sentosento
Toa mamolivoly, ny ao anatiko ao
Mandre ny akonao aho ka mametsovetso


Mikotroka mafy dia injay fa midona
Ny sentoko ve ? Injao ao ihany
Sarotra ialàna sy saro-bonoina
Manembona mafy satria lavi-tany


Sarotra ialàna sy saro-bonoina
Manembona mafy satria lavi-tany


2 - Ny foko manembona lava tsy tana
Maniry hatrany maniry ho tody o !
Mikasa hiverina hody an-tanàna
lzany no sisa atao fanafody


Ankaratra ho aho manako moramora
Manaitra ny fo mbola lavi-podiana
Sady maneso no toa manakora
Manembona mafy satria lavi-tany


Sady maneso no toa manakora
Manembona mafy satria lavi-tany


Tonony sy feony : RAKOTOARISOA


·