Tsaroako anio
SLK Miantsa ATV
Tsaroako anio
1- Tsaroako anio
Jesoa ny fanavotanao
Fa tao an-davaka aho no nakarinao
Ny sandrinao mahery no natsotranao
Hitarika ahy ho eo anilanao
Fiverenany:
Zao no voady ataoko aminao
Jesosy o!
Voadiko aminao mandrakizay
Tsisy ahasaraka ahy tsy hitoetra eo anilanao.
Ho eo an-tongotrao ,akaikinao.
2- He sambatra aho Jesoa satria voasasanao
Ny heloko rehetra dia voavelanao
Ny fiainako tontolo dia nohavaozinao
Ho mendrika tokoa ny lapanao
Fiverenany…..
3- Endrey ny hafaliako mananana anao
Ny lanitrao no amboarinao ho tranoko
Ireo anjely maro izay midera Anao
No hiaraka amiko ho eo akaikinao
Fiverenany…..
SLK Miantsa ATV