Tsaroako

Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric

Tsaroako


Tsaroako eto indray
Ilay indray andro iray tamin’izay
Ilay taratasy nomeko hoanao
Nanambara ilay fitia tao anatiko tao
Ilay hoe tena tiako ianao
Tsy nihaotra akory anefa ianao no namaly
Hoe izaho koa torak’izany


Tsy nampoiziko anefa
Fa nisy rivotra izay niantefa
Ka nanjary tandrifin-drahona
Ilay masoandro mba ho ahy


Mino aho anefa fa mbola hiaona
Indray androany satria tiako ianao
Aza adino ny fisiako anefa ry Tiana
Fa ity foko anie mbola mahatsiaro izay nirina
Dia ilay fanabadiana


·