Tsara sy soa

Asafia Ambodihady

Tsara sy soa


Tsara sy soa ny fiainana anilan-dRay
Fa misy azo hitarainana raha mahamay
Tsy misy afa-mandrombaka ‘reo fahavalo
Satria Mpiaro azo antoka Ilay niantso


Satriko hoe eo mandrakariva
Na mifaly na koa misedra fahoriana
Tsisy fetra ny fiderako
Ka lazaiko fa Izy Tompo sy Mpiaro
Raha eo tokoa eo anilan-dRay Tsitoha


Madio ny fo sy fisainana anilan-dRay
Fa lo ny fomba fiainana raha lavitr’Azy
Tiako raha Izy no miady ho ahy ety an-tany
Satria re tsy nofo aman-drĂ  izany ady izany


(Satriko ho eo mandrakariva
Na mifaly na koa misedra fahoriana
Tsisy fetra ny fiderako
Ka lazaiko fa Izy Tompo sy Mpiaro
Raha eo tokoa eo anilan-dRay Tsitoha)x 2


A/C: Lalaina Davidson


·