Tsara ny Tompo

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

Tsara ny Tompo


1-Efa ho lasa mahazatra ny mahita eto amintsika
Ny miaina anaty haizina tsy misy mibaliaka
Tsy mba misy izay mangirana, ny ratsy no manjaka
Ny madinika, sahirana voatsindry sy Voambaka


 Misy manam-pahefana sady manana harena

miaina anaty filibana, fahotana sesehena
Tsy mitsinjo ireo mahantra sy madinika eto an-tany
Manadino fa ny Tompo no ampiharany izany

ref: Fa tsara e! Tsara ny Tompo
Mpanao ny tsara, tonga lafatra
Marina lzye! Tsy miangatra
(Ny olon) Ny olon-drehetra samy tiany avokoa


2-Misy maro ireo marary Tsy mba manam-bola akory
Hividianam-panafody, mahonena, mampahory
Mba miandry anao hiantra, hanome izay fanampiana
Hoy Jesoa hoe: ‘mba omeo izay azo atao aza variana


    Ry mpanompo mahatoky mba jereo ny anilanao

Sao ny tenanao no voky, Izy mandry aminiza0
Tsy ho very tsy akory izay ataon'ny tananao
Fa hivaly ny fitia omeniny Ray an-danitra ao

·