Tsara ny Tompo
azofi fjkm ambohipo
Tsara ny Tompo
Fa iza moa isika no tokony ho tiavina e
Nefa ny ataontsika aza anie tsy milamina e
Kanefa dia mbola nomeny andro hiainana ianao
Isanandro ny famindrampony ataony vaovao
Ny valin’ny ota anie fahafatesana e
Kanefa ianao velon’aina mahita masoandro ô ô
Zay lay fitiavana tsy hay refesina e
Ny rivotra iainana maimaimpoana isanandro
Satria izy tsara e e e!!!
Dia mikarakara e e e!!!
Tsara ny Tompo ô ô ô!!!
Omeko ny foko ô ô ô!!!
Fa iza moa isika no mbola tsy ringana e
Mbola tsy nataony lany tamingana e
Nomeny ’lay zanany tiany nampijaliana ô
Jesosy nanaiky nijaly sy nampahoriana