Tsara ny Tompo

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Tsara ny Tompo


Ravo ny fanahiko fa voavonjy aho
Afaka tao anaty ny aizin’ny ota
ka manandratra ny hira fiderana
Ho an’ilay Jesosy izay malalako


Tsy hiverindalana intsony aho satria
Famindram-po tsy hita lany no natolony ho ahy
Ho anisan’ireo sahy milaza ny fitiavany aho
Fa tsara Izy, fa tsara ny Tompo


Ry sakaiza namako o izao henoy
Tsy mizaha tavan’olona anie ny Tompo
Fa ny masony mitsinjo sy mijery
Koa ambarako fa tsara ny Tompo


Raha mandeha mamaky lohasaha mangina aho
Dia tsy hatahotra ny loza aho
Fa ny tanany no misakambina ahy
Koa lazaiko indray fa tsara ny Tompo


·