TSARA NY MIFANKATIA

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

TSARA NY MIFANKATIA


Sarotra ho an’ny mpanompo harena
Ny fanjakan’ny lanitra
Tsy hitondra mankaiza ny harena
Mandalo ihany isika eto an-tany
Ka maninona moa raha mifanao soa eh!


Tsara e! tsara loatra ny mifankatia
Mamy, mamy loatra anie izany
Soa e ! ny soa atao levenam-bola
Ndao lehiretsy hifankatia
Andao hifankatia


Ny Tompo nanafatra antsika
Nanafatra mafy
Tsy hitondra mankaiza ny adiady
Androany hifaly, rahampitso hitomany
Fifankatiavana ihany no setrin’izany.


Tsara e! tsara loatra ny mifankatia
Mamy, mamy loatra anie izany
Soa e ! ny soa atao levenam-bola
Ndao lehiretsy hifankatia
Andao hifankatia


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)


·