Tsara loatra

Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)

Tsara loatra



  1. Misaotra anao Zanahary izahay nomenao ity tany misy anay eh
    Lay tany soa sy sarobidy nomenao mba hitoeranay eh
    Tsy nilanao tambiny taminay
    Fa nohon’ny fitiavanao
    TSARA LOATRA IANAO


Tsara loatra ianao
Lehibe Ianao


Tsy takatry ny sainay
Ny hahalehibiazanao ry Ray
Fa ny hany fantatray dia izao
Tsara loatra Ianao
Tsara loatra Ianao
Lehibe Ianao



  1. Izao tontolo rehetra izao na ny hita na ny tsy hitanay eh
    Karazam-biby zava-maniry mbola Ianao no nahary izany eh
    Ny andro izay manazava anay mbola Ianao
    Ianao no nampisy izany
    TSARA LOATRA IANAO


Tsara loatra ianao
Lehibe Ianao


Tsy takatry ny sainay …


Ka tsy hainay ny tsy hidera Anao
Ka tsy hainay ny tsy hankalaza Anao
Misandratra amin’ny avo indrindra Ianao
Fa tsara, tsara, tsara loatra Ianao


·