TSARA LAVITRA

Antsafi

TSARA LAVITRA


Hoderainay mandrakizay ny Anaranareo e!
Jesosy Mpanafaka e!
Misintona an-davaka e!
Fa indro fa lasa ny zavatra taloha e!
Indro fa tonga vaovao
Noho ilay famonjenao


Afaka e! Afaka e!
Afaka e!Mandrakizay, Afaka a!
Sambatra e! Sambatra a!
Ny voavela heloka ao aminao, Sambatra!


Andriamanitra tsy misy mahasakana Ianao
Ilay be famindram-po
Tena nasehonao miharihary tokoa
Mba marina moa
Ny jamba mahiratra, mona miteny
Malemy dia lasa mamindra
Nafindranao ho amin’ny Fiainana
Lafatara indrindra


Tsara lavitra e!
Tsara lavitra ny ao aminao
Tsara lavtra e!
Tsara lavitra ny ao aminao


Hoderainay….


Any an-danitra Ilay Tsara lavitra Indrindra
Nomboariny, nomaniny ho anao
Lova homena, Ireo olom-bonjena
Dia jerosaleman vaovao
Natsangana isika ho vato velona
Ary ho Trano Fanahy
Ho mendrika hanana Fiainana Mandrakizay.


·