Tsara iafarana

Rija Ramanantoanina feat Lalatiana

Tsara iafarana


Miriorio foana ny angidina,
Tsy mankaiza tsy akory
F’izay no fombany
Misavoamboana dia midina
Ka mianjera any an-kady rehetra any


Vola no mahabe rehareha
Ka mazàna jamba ny maso
Voatampin’io
Nefa ny mibirioka fandeha
Zohin-tsiny lava, ka tsy mba mandeha


REFRAIN:
Kendreo zay ataonao
Saino, lanjalanjao
Mandalo ihany zao rehetra izao
Fidio ny mba ho soa,
Nefa tandremo koa
Soa diso aoriana ka voa


Harena sy voninahitra,
Rendrarendra tsy hita hivalaparana
Fa mbola hafa maharitra
Ny fitiavana tsara hiafarana


REFRAIN


·