Tsara hiafarana
Rija Ramanantoanina feat Lalatiana
Tsara hiafarana
Miriorio foana ny angidina
Tsy mankaiza tsy akory f’izay no fombany
Misavoamboana dia midina
Ka mianjera any an-kady rehetra any.
….
Vola no maha-be rehareha
Ka mazàna jamba ny maso voatakonio
Nefa ny mibirioka fandeha
Zohin-tsiny lava ka tsy mba madio.
Kendreo izay ataonao
Saino, lanjalanjao
Mandalo ihany izao eto izao
Fidio ny mba ho soa
Nefa tandremo koa
Sao diso aoriana ka voa.
….
Harena sy voninahitra
Rendrarendra tsy hita hifandafarana,
Fa mbola hafa maharitra
Ny fitiavana tsara hiafarana.
Kendreo izay ataonao
Saino, lanjalanjao
Mandalo ihany izao rehetra izao
Fidio ny mba ho soa
Nefa tandremo koa
Sao diso aoriana ka voa.