Tsara antoka

GAFLI

Tsara antoka



  1. Na dia mandalo sedra mahamay,
    Mihatra aman’aina mihintsy indraindray
    Tsy hihemotra aho fa manana Anao
    Andriamanitra mahery
    Mambomba sy mijery
    Tsy manary ahy mandrakizay


Ref.: Tsy ho foana ny toky sy fanantenako
Misinda ny ahiahy sy fisalasalako
Ny hany fantatro dia izao,
Manan-jara tsara aho
Feno fiadanam-po fa mialoka Aminao



  1. Raha ‘zaho sy ny ankohonako
    Hanompo an’i Jehovah izahay
    Ny fahasoavany no naha toy izao anay
    Andriamanitra mahery
    Mambomba sy mijery
    Tsy manary anay mandrakizay


Ref.: Tsy ho foana ny toky sy fanantenako
Misinda ny ahiahy sy fisalasalako
Ny hany fantatro dia izao,
Manan-jara tsara aho
Feno fiadanam-po fa mialoka Aminao


*fin: Ny hany fantatro dia izao,
Manan-jara tsara aho
Feno fiadanam-po
Mahatsiaro sambatra tokoa
Tsy ho orin-java-tsoa
Fa mialoka Aminao


·