Tsapako ny fijalianao (Biby masiaka)
Antokom-pihira Vetson'i Siona
Tsapako ny fijalianao (Biby masiaka)
I. Jesoa ô, tsapako ny fijalianao
Eny, tsy tantinao
Ho setrin’izany, inty aho mifona re
Mamelà ny helokay … Amen!
Ref: ‘zay sendra ahy, toa maneso avokoa
Mitanatana vava, mihifikifi-doha
Biby masiaka, romotra jerena
Roahina tsy mety, fa toa mihenahena
II. Kristy ô, tsapako ny fijalianao
Eny, tsy tantinao
Ho setrin’izany, inty aho mivalo re
Mamelà ny helokay … Amen!
III. Tompo ô, tsapako ny fijalianao
Eny, tsy tantinao
Ho setrin’izany, inty aho mibaboka e
Mamelà ny helokay … Amen!