TSAPAKO

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

TSAPAKO


Tena tsapako mihitsy
Satria maro fa tsy vitsy
‘Reto fanomezantsoa
NomeNao ho ahy Jesoa(*2)


Tena tsapako mihitsy………………….


1-Ka dia inona indray
R’ilay Zanaky ny Ray
No manery ahy tsy hisaotra
Fa ny foko faly loatra


2-Ka ny teniko dia izao
Izaho hifikitra Aminao
Mandrapialako eto an-tany
Izaho ho Anao irery ihany


Tena tsapako mihitsy
Satria maro fa tsy vitsy
‘Reto fanomezantsoa
NomeNao ho ahy Jesoa(*2)


Tena tsapako mihitsy………………….


·