Tranon'Andriamanitra
AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Tranon’Andriamanitra
Na trano bongo, na valozoro.
Na trano hazo, na koa falafa.
Dia tiako ihany ny tranon-dRaiko.
Feno hamamiana sy hafaliana.
Trano madio sy masina.
Natokan’ny Ray hikoloana anay.
Raha misy izay manao tsinotsinona
Ny tranon'Andriamanitra dia lozany.
Ny tranon'Andriamanitra natao
Ho fanandratam-peo, ho fiderana.
Ho fiderana ny anarany.
Asandratray izao hira izao.
Ho fanehoana ny hatsarany.
Fa vatolampy tsy mba miova.
Fa manan-jina ny tranon-dRaiko.
Trano madio sy masina.
Natokan’ny Ray hikoloana anay.
Masina ny tranon'Andriamanitra.