Toy ny sambokely

A.M.Malhall

Toy ny sambokely


Toy ny Sambokely iray ny fiainako
Eo aNivon-dranomasImbe izao
Toa voatopatopan’ireo onja te handRendrIka
Mila tsy ho tody aNy an-TSeranana


Ny haizOm-pito no injAo manarona
Ny kotro-baratra no zary namana
Reo rehetra ‘zay noheverina azo ianteherana
Indro momoka sy lavo avokoa


Mila ho very fanantenana izahay
Tsy fantatro akory izay hizorako
Fa lalan-tsarotra sy feno loza mahakivy fo
Tsy nahatsapako fa ianao mitarika ahy


Soa fa teo ianao ry Tompo tsy nandao
‘Lay mpamily sy kapiteniko
Tsy ho rendrika aho fa ho tafita any an-tseranana
Raha mbola IANAO no io mitarika


·