Toy Inona alina

Ny Feo Mamatonalina

Toy Inona alina


Toy inona alina izao, Ry Fanahiko lazao
Mbola hatory ihany ve? Nefa misy antso re
Indro ny Mpampakatra! Mitsangana hiakatra


O! avy ny maraina andro soa nantenaina
Jesosy koa lalaina Mpamonjy handrandraina


Ny fanilo entinao, Ry Fanahiko lazao
Misy solika va re? Mitandrema ka hendre!
Amboary mantsy izao, mba hamirapiratra ao


Matoky ve ianao, Ry Fanahiko lazao
Misikina mandrosoa, efa miandry re ny Ray
Hasambaram-be tokoa, sitrakao va re izay?


·