Torio amim-paharetana

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Torio amim-paharetana


Ref: Mitoria ny teny mahareta amin’izany
Na amin’ny finoana na tsy amin’ny finoana
Mitoria ny teny
Mahaliana amin’ny zava-drehetra
Mihareta amin’ny fahoriana e!


Soa ihany fa tonga namonjy ny Tompo
Nankahery fo ahy
Nanafaka amin’ny asa ratsy
Nampianatra ny olona izy
Misaotra azy aho


Be ireo adin-tsaina manko
Mahafinaritra ara-nofo
Nandeferany avokoa
Niaretana niambohona e
Fa mamy noho ireo ny Tompo
Misaotra azy aho


Ny ray sy ny reny, hava-maro
Tsy hadinoina sombin’aina
Rahalahy sy anabavy
Tapaka sy hava-tiana
Nariana avokoa
Fa soa ny fiarahana amin’ny Tompo e!
Misaotra azy aho


·