TONY

ROLF

TONY


Raha vao nahita anao aho
Tsy tonga dia nahatsapa fa hoe
Ianao ilay olona hiainako
Ny fiainako nikorontana tamin’izany
Tsy nisaraka tamiko intsony ny tomany


Nihaino anao aho, dia lasalasa saina
Nahafantatra anao aho ka dia niverina niaina
Ny korontako, tsy tsapako intsony
Misy anao aho, tony aho


Ny fiainako rehetra, dia ho anao tsisy fetra
Tony aho
Efa lamina ny saiko
Ka tena tony aho mandrakizay


Izay àry isika fa lasa
Hanatrika miaraka ireo
Onjanonjam-piainana
Ny tanako hamikitra mafy anao
Tsy hahasaraka antsika n’iza na inona ho ao


Ka raha solafaka aho dia ho avotanao
Ho tazomiko mafy mba tsy hianjera ianao
Ny lasako, tsy tadidiko intsony
Misy anao aho, tony aho


·