TONGA NY MPAMONJY

Groupe NAINA

TONGA NY MPAMONJY


Mirary fitahiana ho anao
Nahatratra izao Noely mamy izao
Fa androm-pifaliana
Androm-pitiavana
Fa tonga ny Mpamonjy
Mba hanavotra anao


Faingana fa fotoana mety izao
Hanavaozana ny saina sy ny fo
Fa ianao no antenainy, sady andrandrainy
Aza ela ianao
Faingana fa fotoana mety izao
Hanavaozana ny saina sy ny fo


La, la, la……
La, la, la……
Fa androm-pifaliana
Androm-pitiavana
Fa tonga ny Mpamonjy
Mba hanavotra anao


Fa io no Zanak’Andriamanitra
Io no lalana mankany an-danitra
Sao variana ny eto an-tany ianao,
Ka sondrian-tory ety
Mitsangana ianao
Fa io no Zanak’Andriamanitra
Io no lalana mankany an-danitra


Joyeux Nöel, Merry Christmas……


·