Tonga ny anjely Gabriely
APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Tonga ny anjely Gabriely
Tonga ny anjely Gabriely e e
Niarahaba ilay tovovavy ô ô
Voafidy tanatin’ny maro
Hitondra ny zanak’ilay Nahary
Dia ilay Andriamanitra Avo indrindra ô ô
F’izy tsy nandà kely akory e e
Fa dia nanolotra izany tenany
Ho tempoly masin’Andriamanitra ô ô
Hitondra am-bohoka ilay Mesia e e
Inty aho ankizivavin’ny Tompo ô ô
Ho tanteraka amiko anie ny teninao
Hitondra sivy volana an-kibo
Vonona hiatrika ny mangidy
Hisotro ny rano tsy tiana koa ô ô
Niezaka nihazo an’i Betlehema ô ô
Hanaraka lalàm-panjakana
Indrisy tsy nahazo trano akory
Fa tranon’omby no nivantanany
Dia tonga tokoa ny teny
Ka dia niara-nonina tamintsika
Dia tonga nihoby azy ireo ny anjely
Mpiandry omby ny namany eo
Vahoaka madinika mahonena ô ô
GLORIA IN EXELSIS DEO !!!! (x4)