TONGA NOFO
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
TONGA NOFO
Lehibe tokoa Ray ny fitiavanao
Natolotrao ho anay ny zanakao
Ho famonjena izao rehetra izao
Mba tsy ho very izahay zanakao
Refrain:
Ny fiainana raha tsy misy anao dia tsy mamy
Na aiza no aleha eto an-tany
Fa ao aminao Jesosy irery ihany
No miadana ny fo sy fanahy
Fa tonga nofo Ianao tety an-tany
Efa nolazain’ireo mpaminany
Ka ny hira fiderana ho sesilany
Ety an-tany sy an-danitra any
Ry Raiko ô! Tsy mendrika izahay
Mba avelao re ny fahotanay
Malemy sy osa re izahay
Tafio ny herinao mandrakizay
Refrain:
Ny fiainana raha tsy misy anao dia tsy mamy…