TONGA INDRAY RE
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
TONGA INDRAY RE
Tonga indray re!
Tonga indray ilay nandrasana ela
Faly isika e!
Indro teraka Imanoela
Ka mihoby sy manandratra ny fiderana
Venteso mafy ny fankalazàna
Hoe haleloia hosana
Jesosy mpamonjy no teraka anio
Hamonjy ny very ary koa hanadio
Nofoanana ny aizina be fahotana
Indro fa miposaka ny hazavana mamiratra tsara sy mahafinaritra soa
Ka sambatra isika eny sambatra isika e
Fa indro ny Tompo tsitoha