Tompon´ny Fahefana

FEOMAFI

Tompon´ny Fahefana



  1. Izao voahary rehetra izao sy ny manoloana
    Ny atsimo, ny avaratra ny fotoana
    Voafaritra tsara paika ka tsy hay hinoana fa hoe kisendrasendra sy tongatonga foana
    Fa nisy ny niandohana sy mbola hihafarana
    Aoka ho fantatsika fa azy irery ny fahefana
    Ny ankoatr’izay tsy marina fa rediredy sy adalana
    Ringana ny olona ankehitriny nohon’ny tsy fahalalana
    Fiverenana :
    Fa ny Tompo (Tompon’ny fahefana)
    Ary izy no (manaparika izany)
    Mpanjaka (ho antsika zanany)
    Izay mino sy miantso ny anarany


Iee ,ieeee tompon’ny fahefana
Ieee,ieeee manaparika izany
Ieee,ieeee ho antsika zanany
Ieee, ieeee miantso ny anarany



  1. Koa aza misalasala sy mihaotraotra
    Minoa fotsiny ihany fa aza matahotra
    Fa hery tsy hay tohaina sy tsara voatra anie tsy ho ravany
    Raha tsy zany tsisy matohatra


Koa aza mihafahafa
Ny tompo no mampanjaka
Sahia mijoro hatrany ho vavolombelony ka hiasa
Ho sasa-poana anie izay mandrara anao @ Fiderana
Satria izy tompontsika no tena tompon’ny fahefana


Fiverenana :
Fa ny Tompo….


·