Tomponay
Groupe Ny hiran'ny Fanantenana
Tomponay
Tomponay o! Malala Tsitoha isaoranay ‘reo fitantananao
Nohon’ny tombon’andro nomenao anay ho fiderana anao
O! tsy takatry ny sainay ny soa sesehena natolotrao
Ka dia hira no asandratray ‘zay vokatry ny fo
Reo voaary manodidin’ahy na ny rivotr’iainako
Dia mitory ny hatsaranao ry Ray Tsitoha
Sahiko ny milaza eto anio
Fa tsy misy mahasolo Anao
Ka ambarako eto fa TIAKO IANAO