TOMPO O NY FIRENENAY

Antokom-pihira Vetson'i Siona

TOMPO O NY FIRENENAY



  1. Na misompatra aza ireo tsy tia
    Dia miseho eny ihany ny herinao
    Toy ny tendrombohitr’i Siona
    Tsy mangozohozo fa miorina mandrakizay


REF: Tompo รด, ny firenenay
Ary koa ireo mpitondranay
Ametraho ny fitahianao ho doria !
Gasikara nosy maminay
Mba tahio handry fehizay
Ametraho ny fitahianao ho doria !



  1. ‘Lay Jerosalema vaovao
    No enga anie ho taratry ny nosinay
    Dia ho menatra sy hangahiahy
    Ireo fahavalo misompatra ny firenenay


·