TOMPO O! IANAO MANDINIKA AHY

Ampifafi

TOMPO O! IANAO MANDINIKA AHY


Tompo o! Ianao mandinika ahy
Tsy misy miafina Aminao
Na aiza na aiza no misy ahy
Ianao mandinika ahy hatrany


Very aho Jeso
Raha tsy eo ianao hamonjy ahy,
jereo ny làlako sao very aho ety!
Tompo o!
Tompo o! Ianao no momba ahy,
Tsy misy izay tsy vitanao
N’inona inona ataoko
Ianao no momba ahy hatrany


Tompo o! Ianao no mahalala uzay hevitra rehetra ato am-poko
Ianao mandinika ny fo sy ny voa
Tsy misy azoko afenina Anao


Tompo o! Ianao mandinika ahy,
Ho aiza aho no andositra ny tavanao
fa ny haizina tsy misy eo aminao
Fa mitovy avokoa ny zava-drehetra
jereo aho Jeso o!
Aza ilaozanao miohodina aho,
Vonjeo re sao very aho ety!
Vonjeo ny aiko Tompo o!


·