TOMPO O!

Ny any aminay

TOMPO O!


1-Tompo o ! henoy ity mitalaho
Mangataka fifonana Aminao
Ireo fahotako marobe
Tompo o ! Tompo o ! mifona re


Mamelà ny fahotako
Avelao ny adalako
Diso aho ka mivalo Aminao
Fa solafaka ny dia
Maizina ny lalan-kombana
Tompo o ! avia mitantàna


2-Tompo o ! ry Tompo be fitia
Tinjovy re ity mpanota nania
Tsy nandia araka ny sitrakao
Tompo o ! mifona Aminao


Mamelà ny fahotako
Avelao ny adalako
Diso aho ka mivalo Aminao
Fa solafaka ny dia
Maizina ny lalan-kombana
Tompo o ! avia mitantàna


Tonony sy feony : Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA


·