Tompo fantatrao
Chorale Taratr'i Maria
Tompo fantatrao
Tompo o, fantatrao Ny faniriana anatiko ao
Dia ny mba ho mpanomponao
Hahafoy izao tontolo izao
Marisika ihany e,e, marisika ihany o,o
Marisika ihany ny Fanahy
Fa ny nofo no osa
Ka mba tohano aho, ka mba tohano mafy aho
ka mba tohano mafy aho Tompo o
Tsy hivily lalana
Tsy ho tomombana avokoa izay rehetra kasaiko
Tsy ho tody ihany koa izay voavolavolan’ny saiko
Fa mila aho ny fanohananao Tompo o, aza mahasaka ahy
Marina fa izay manara-dia anao
Dia tsy maintsy mitondra ny hazofijalianao
Kanefa mahatoky ahy ianao
Ka ny jiogako mavesatra dia hozary maivana