Tompo Ô! Tiako Foana

Pasteur Jocelyn RANJARISON

Tompo Ô! Tiako Foana


Tompo ô! Tiako foana
Izay lalana hitondranao ahy
Fa ny tananao Tsitoha
No mihazona ny fiainako


Tompo ô! Fantatro
Fa tia ahy Ianao
Azoko antoka izay fitantananao ahy
Ho mandrakizay!


Ref: Ianao no handrandraiko
Toky izay antenaiko
Tompo ô Ianao no ekeko
Ato am-poko


Izay voalahatrao no hinoako
Fa hahatsara ahy hahatsara ahy avokoa
Tompo ô Ianao
Mahalala izay mahasoa


Tompo Ô! Ianao ihany
No mpandahatra ny eto an-tany
Mpanefy izao rehetra izao
Arak’izay voatendrinao


Tompo Ô! Tanteraho
Izay sitraponao
Azoko antoka izay fitantananao ahy
Ho mandrakizay


Ref:


·